Mandeha ny resabe momba ny fandravana ny Ceni. Any amin’ny fikaonandoham-pirenena no mamaritra izany, araka ny nambaran’ny filohany, Rakotonarivo Thierry.
“Any amin’ny fikaonandoham-pirenena izay… Dia samy miandry isika rehetra, fa mizotra mankany ny Ceni”. Io ny valin-tenin’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, omaly, manoloana ny karazam-pitakiana etsy sy eroa ny amin’ny tokony handravana ny Ceni izay lazain’ny sasany hoe rafitra maty. Eo koa ny iraka manokana avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena toy ny Sadc sy ny Firaisana afrikanina (UA) ary ny OUA farany teo, manamafy hatrany amin’ny tokony hanadiovana ny tontolon’ny zotram-pifidianana. Raha izay fandravana ny Ceni izay, ohatra, no tapaky ny besinimaro amin’ny fikaonandoham-pirenena, ary mivoaka ny lalàna vaovao: arahina sy tanterahina. Ny lalàmpanorenana no nametraka ny Ceni.
Ny angatahin’ny olona dia ny handravana ny rafitra rehetra amin’izao Repoblika IV izao, ary hidirana amin’ny rafitra vaovao. Fomba roa no hahazoana manao an’izay, araka ny fanazavany. Na amin’ ny fomba ara-dalàna, satria ny lalàmpanorenana no nametraka ireo rafitra takina ny handravana azy dia ovaina ny lalàmpanorenana. WRehefa miova ny lalàmpanorenana, mirodana avokoa ny andrimpanjakana rehetra misy. Ny fomba faharoa, rehefa tsy manaraka an’izay ara-dalàna izay : manao fifanarahana politika. Nefa efa nilaza ny filohan’ny Fanavaozana fa tsy hiditra amin’izany, izay fizaran-toerana amin’ny fifanarahan’ ny rehetra.
“Rafitra mpanatanteraka ny Ceni”, hoy izy. Rehefa misy ny didim-panjakana na lalàna na fifanarahana politika, manatanteraka ny Ceni. Tsy handeha amin’izay fifanarahana politika izay ny filohan’ny Fanavaozana. Noho izany, tsy maintsy miandry ny fikaonandoham-pirenena hanovana lalàmpanorenana ny fandravana andrimpanjakana. Mandra-pahatonga an’izay, manao ny asa andavanandro ny Ceni: fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana.
R. Nd.





