Kanto sy kolontsaina tsy lefin’ny vanim-potoana ny teatira malagasy. Manamafy izany ny fisian’ny hetsika ho fankalazana ny faha-75 taonan’ny Fikambanan’ny mpanao teatira malagasy na ny FMTM.
Mbola velona sy miaina ny teatira malagasy. Anisan’ireo seha-kanto tranainy kanefa mbola maro mpitia, raha notarafina tamin’ny hetsika voalohany nanamarihana ny faha-75 taonan’ny fikambanan’ny mpanao teatira eto Madagasikara, na ny FMTM izany. Nanokatra ny andian-tseho anatin’ny fankalazana mantsy ny « Rafotsy saro-piaro », piesy nosoratan’i Herinina, izay nolalaovin’ny tropy Randrana tao amin’ny Ivokolo Analakely, ny alahady teo.
Hanohizana ny fankalazana ilay piesy « Marie Rose », hovelomin’ny Tropy Jeannette indray. Ao amin’ny Efitrano Charles Ravaloson, Ivokolo Analakely hatrany ny hanaovana izany, ny sabotsy 21 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Anisan’ireo piesy klasika, sanganasan-dRasamy Gitara izy ity. Miresaka tantaram-pitavana teo amin’ny mpifankatia telo samihafa, nakorontan’ny fandraisana an-tendrony na tsy fifankahazoana teo amina toe-javatra iray. Toy ny efa fanaon’ny Tropy Jeannette, arahina fampisehoana hira teatraly izany.
Tsy vita hatreo, fa mbola hoentin’ny Tropy Orimbato an-tsehatra ihany koa ny « Tsy maty paika voatondro iray », ny sabotsy 5 desambra. Tantara nosorotan’i Faustin Raharison indray izy ity. Hamarana ny iray volana fankalazana ny Sakaizan’ny Teatira Malagasy, ny « Ilay fitaratro », Tantara nosoratan’i Calie na i Michèle Razafimahay. Samy ao amin’ny Efitrano Charles Ravaloson avokoa no hamelomana azy ireo.
Ankoatra ny fiakarana an-tsehatra, hotontosaina ny 29 novambra izao ny lanonana ho ivon’ny fankalazana, eny amin’ny Espace Rose By Pass. Fotoana hanomezam-boninahitra ireo mpisehatra nahavita be ho an’ny teatira malagasy io.
Zo ny Aina





