Tsy antsan-tononkalo toy ny mahazatra, fa sombin-tantara an-tsehatra indray ny hetsika homanin’ny Faribolana Sandratra manaraka. “Tany ho any” ny lohateniny, izay hatao ny sabotsy 21 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CGM Analakely. Ireo sombin-tantara nosoratan’i Sylvia Randrianatandro, Niravo, Hanjariliva ary Mampandriniaina Manitra no hovelomin’ireo mpiray faribolana mandritra izany. Handravaka ny fampiainana ny tantara amin’ny mozika i Tiavina Arangita eo amin’ny gitara, sy i Antsa eo amin’ny lokanga. Misy amin’ireo tantara voafantina ireo no efa nivoaka tanaty boky. Misy amidy ihany koa ireo boky navoakan’ireo mpanoratra ireo amin’io fotoana io.
Aorian’izay dia hisy “Alimbetso” koa ny 21 novambra eny Ambohidratrimo. Hetsika efa fanaon’ny Faribolana Sandratra, ifampizarana traikefa momba ny zavakanto, fandranitana fanahy arahina dinidinika literera sy antsa tononkalo no hatao mandritra izany.
Zo ny Aina





