Manao izay danin’ny kibony ny manampahefana sasany. Manampatra ny maha tompon’ny hery azy. Manao tsindrio fa lavo sy kely tsy mba mamindro. Manao izay danin’ny kibony izy ireo ahafahana manambaka sy mandroba ny anjara masoandro kelin’ny madinika. Miseholany indray tato ho ato ny tranga tahaka izany. Indrindra ny fibodoana tany sy fandravana fananan’olona. Izay manam-bola sy milaza azy ho mahitahita no maanao izay tiany hatao.
Mila manamafy ilay tena fanavaozana ny mpitondra. Tsy natao ho an’ny mpanambola sy ny manan-kery ihany ny politikan’ny fanovana tsara kokoa. Zary simbain’ny olom-bitsy saingy mangorona fahefana ilay nitolomana. Sarona tanteraka ny filoha izay tsy afaka ny hisahana
ity zava-drehetra ity, ny mamaha izany olana izany. Efa mitady hahazo vahana ny fomba amam-panao nitolomana. Nivadika ho famoretana ny marefo eny anivon’ny farahamonina.
Trangam-piarahamonina tena mampikaikaika ny vahoaka amin’izao fotoana izao ny momba ireo fangalarana sy fibodoana tany. Misy andian’olona mivelona sy mihary ambony alahelom-bahoaka amin’ny alalan’ny tery vaimanta. Betsaka no mitady ny fomba rehetra hitsentsefana ny madinika sy hampitombo haingana ny hareny. Hany ka hadino fa misy firenena sy vahoaka tokony hasiana maso tokoa. Zary an-jorombala!
Antso avo no atao amin’ny mpitondra ny fanavaozana. Mijaly sy sahirana ilay vahoaka amin’ny tsy fahafahana manoatra. Atody miady amam-bato manoloana ny tanjaky ny vola sy ny fanaparam-pahefana. Mahaontsa ny mijery izato raiamandreny lehibe, torana any anaty fitsarana. Very fananana noho ny tsy rariny, mbola miaritra ny figadran’ny zanany ihany koa. Maro ny tranga toy izany kanefa kobokobonina satria manahy ny ho avy sy ny valifaty.
r.r





