Sambany tamin’ny tantaran’ny fitsarana no nisy tribonaly nalefa mivantana tamin’ny fahatalavi-pirenena sy ny tambajotran-tserasera, teto Madagasikara. Tena nahaliana ny vahoaka malagasy izay. Niakatra izaitsizy ny tahan’ny mpanaraka ireo pejy nampita mivantana avy eny Anosy. Toraka izany, ny fahitalavi-pirenena. Nanaraka izany avokoa ny lafivalon’ny Nosy sy ny avy any ampitan-dranomasina.
Inona anefa no nalaza? Tsy inona fa ny “Raharaha Ambohimalaza” sy ramatoakely Fenohasina. Iza tokoa no tsy te hahalala ny tena marina tamin’iny raharaha iny? Iza no tompon’antoka? Inona no antony? sns. Fanontaniana tena hiandrasana valiny marina izany aorian’ny fotoam-pitsarana, izay hitohy anio. Tokony hivoaka izay nafenina rehetra, indrindra ny zava-pantatry ny tompom-pety. Na inona na inona lazaina: misy zava-pantany ao.
Tsy voatery ho tomponandraikitra na mety ho meloka ireo niakatra fitsarana. Ny zava-niseho teny amin’ny tribonaly anefa, ahitana taratra fa misy zavatra mbola tsy voazava sy tsy misy mangirana mihitsy. Misambadidaka izay miresaka, miovaova ny resaka. Tampoka teo aza, efa herintaona mahery aty aoriana, misy mbola voasambotra sy naiditra am-ponja. Voalaza fa sakaizan’ny tompom-pety… karazan’ilay “papasôsy”, hono?
Fisaka ny marina ary raha ny zava-misy ankehitriny, mbola mila fanampiny fanadihadiana lalina ny raharaha. Misy singa tsy voazava. Ilay fizotry ny fitsarana ihany koa milaza fa mbola lavitr’ezaka ny fotoana hanatanterahana izany. Niaraha-nahita rahateo ny zava-niseho, omaly. Maro ny fotoana lany tamin’ny lohahevitra hafa toy ny fidarohana sy fampijalian’ny zandary mba nahazoana fiaiken-keloka, na ny resaka vetavetan’ny mpifakantia.
Ity resaka farany izay nahaliana sy nahafalifaly ny mpitia resabe tamin’ny tambajotran-tserasera. Hadinodino ny fatin’olona niampatrampatra voapoizina sy ny ratram-pon’ny fianakaviana.
r.r





