TSELATRA

Mpanendaka roa lahy saron’ny polisy tsy lavitra ny Antenimerandoholona Anosy, ny alin’ny alarobia 18 novambra teo, tamin’ny 1 ora sy sasany maraina. Niara-nisalahy ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona ka nahazoana an’ireto mpanao ratsy ireto.
Lehilahy voarohirohy ho mpisoloky sady mpiray tsikombakomba amin’ny fanaovana hosoka karohin’ny polisim-pirenena, nanomboka omaly. Karohina noho ny fikasana handositra izy. Voalaza fa anisan’ny ao anatin’ny fikambanan-jiolahy koa, ity lehilahy karohina ity.
Trano iray levon’ny afo tao Amparatanana, Fenoarivo Atsinanana, afakomaly alina. Levon’ny afo ny vola mitetina 1 400 000Ar miampy ny fanaka rehetra tao anatin’ny trano. Tsy fantatra mazava ny fototry ny afo ka nahatonga ity fahavoazana ity.
Notanana eny Antanimora ireo jiolahy efatra voasambotry ny zandary teny Soamanandrariny, ny 18 novambra lasa teo. Sarona teo am-pamakiana ny fiara ny iray tamin’izy efa-dahy ireto. Natao famotorana ka nitoroka ireo telo lahy hafa namany. Efa nokarohina hatry ny ela izy efa-dahy ireto.

Partager sur: