Mitondra ny feon’ny ankizy i Mirado, mpanakanto sy i Fy influenceuse fanta-daza amin’ny tambazotran-tserasera fesiboky. Mpiaro ny zon’ny ankizy miaraka amin’ny Unicef izy ireo ary samy manao izay fomba handreseny lahatra ny mpankafy azy hanaja ny zon’ny ankizy sy hanao ho laharam-pahamehana izany.
« Mbola maro ny ankizy tsy misitraka ny zony ka mahatonga anay masoivoho mitety faritra maka ny hevitry ny ankizy ary mizara izany ho ren-tany ho ren-danitra. Antom-pisinay ny manaraka ny fivoaran’ny zava-misy mianjady amin’ny ankizy ary manao fanairana araka izay tratra. Ny fiovana fomba fisaina no mitaky ezaka mafy mba hahitam-bokany mahakasika ity zon’ny ankizy ity, hoy i Mirado.
I Fy kosa nilaza fa « mandresy lahatra ny ray aman-dreny hanao vaksiny ny zanany no tena itondrako ny anjara birikiko amin’ny ankizy. Efa hatramin’ny taona 2024 no nanaovako ny fanentanana. Raha ny vokatra dia mahavelombolo satria efa nandresy ny lefakozatra isika tamin’ny taona 2025. Mitaky ezaka bebe kokoa miohatra indray anefa izany avy aty amiko hampavitrika ny reny hanao vaksiny an-janany. Hiady amin’ny karazana tsaho sy lainga etsy sy eroa amin’ity resaka vaksiny ity koa aho. Vaksiny azo antoka sy efa andalo fisedrana no ampiasaina ka tsy misy tokony atahorana ».
Tatiana A





