Zon’ny ankizy : Miandrandra hoavy mamiratra ireo ankizy

« Ny androko. Ny zoko. Ny hoaviko ». Io no lohahevitra novoizina tamin’ity taona ity ho fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny ankizy. Niray feo nanandratra ny faniriany ho amin’ny hoaviny ireo ankizy, omaly.

Ankizy sy tanora manodidina ny 300, eo anelanelan’ny 4 ka hatramin’ny 17 taona, no nivory ny sabotsy teo, tetsy Andraharo, mba hampahafantatra ireo zavatra heveriny fa laharam-pahamehana ho an’ny hoaviny. Nisy lalao sy lalam-pandalovana misy sakana natao hifanaraka amin’ny sokajin-taonan’ny ankizy. Tsy fifaninanana no tanjona tamin’izany, fa ny hahafahan’izy ireo mahafantatra na mahatsiaro indray ireo zony.
Taorian’izany, niroso tamin’ ny sehatra iray ahafahany ma­neho ny safidiny sy ny hetahetany momba ny ho avy ireo ankizy. Teo ihany koa izy ireo no nanondro ireo zo sy sehatra heveriny fa tokony homena laharam-pahamehana, mba hahafahany mitombo sy mivelatra ao anatin’ny fitomboany.
Mifanindran-dalana amin’ny fankalazana ny faha-80 taona nijoroan’ny Unicef sy nanaovany asa ho an’ny ankizy maneran-tany ny hetsika. Manamafy indray ny Unicef fa mbola vonona hanohy ny fanohanany ny ankizy eto Madagasikara.
Efa 42 taona izao no niasany teto an-toerana, niaraka tamin’ny fanjakana, ny fiarahamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina ary ireo mpiara-miombon’antoka aminy. « Fo­toana iray hankalazana ny fandrosoana efa vita izao tsingerintaona izao. Hijerena ny ho avy sy hampahatsiahivana fa ny fampiasam-bola ho an’ny ankizy dia fampiasam-bola amin’ny harena maha olona sy amin’ny hoavin’i Madagasikara », hoy i Gilles Chevalier, solontenan’ny Unicef eto Madagasikara.
Ireo laharam-pahamehana nambaran’ny ankizy ireo dia hampidirina ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ny manampahefana sy ireo mpiara-miombon’antoka. Tanjona amin’izany ny hahatonga ny feon’ny ankizy ho hery manosika amin’ny fanamafisana ny fanoloran-tena sy ny hetsika ho fiarovana ny zony sy ny tombontsoany.

Tatiana A

Partager sur: