Ambohi-pihaonan’ ireo mpandraharaha miisa 66 ny hetsika « Bazar de Noël », karakarain’ny Wednesday Morning Group (WMG), ny 28 novambra, eny amin’ny Carlton Anosy. Ankoatra ny fampiroboroboana ny vokatra, natao hanohanana ny vehivavy mpandraharaha sy ny sehatry ny fanabeazana ihany koa ny hetsika. Lohahevitra amin’ity taona ity ny hoe « Krismasy mamirapiratra ». Hampiranty sy hivarotra ny vokatra malagasy isan-karazany ireo mpandray anjara izay ahitana asa tanana, akanjo, boky, sôkôla ary vokatra ara-tsakafo. Hisy ihany koa ny hetsika «colis de noël» ataon’ ny fikambanana amin’izao akaiky fety izao. « Ny vola azo amin’ny bazary dia natao hanohizana ireo fiofanana manampy ny vehivavy hahaleo tena sy hanavaozana ny sekoly », hoy ny filohan’ny WMG, Tsiranana Fiona. Anisan’izany ny EPP Ambohimarina, efitrano fianarana miisa telo no efa nohavaozina ka ny iray amin’ireo no natokana ho an’ny asa tanana, raha ny fanazavana hatrany. Tanjona ny hanatsara ny tontolon’ny fampianarana, ny fari-piainan’ny ankizy ary ny mpampianatra.
Tsiahivina fa, efa nahatratra 160 ireo nianatra zaitra navaokan’ny fikambanana ny taona 2025. Niampy fiofanana niomerika izany tamin’ity taona ity ka lasa 200 no nivoaka. Marihina fa maherin’ny 1 500 ireo mpitsidika tonga nijery ny vokatr’ireo mpampiranty 45 nandritra ny hetsika “Bazar de noël” tamin’ny taon-dasa.
Henintsoa





