Manokatra varavarana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy manamora ny fifanakalozana ara-barotra amina firenena 92 ao anatin’ny frankôfônia ny teny frantsay. Tombony ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fivelaran’ny orinasa izany, mahatratra 300 tapitrisa kosa ny mpanjifa. Ilaina ny manararaotra ireo fahafahana atolotry ny tontolon’ny Frankôfônia mba hanamafisana ny fifanakalozana sy ny fampiasam-bola.
Tafatsangana ny herinandro lasa teo ny “Bureau des Mines” ao Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana. Natomboka ihany koa ny fanentanana sy fanomezam-baovao mahakasika ny asa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Manana akora maro ny distrikan’Ampanihy toy ny volamena, manjarano (graphite), “labradorite”, vato kristaly, “corindon” sy ny maro hafa.
Nandray anjara tamin’ny foara iraisam-pirenena “Food Ingredients Europe” (FIE 2026) tany Francfort, Alemaina ny 17 hatramin’ny 19 novambra lasa teo i Madagasikara. Orinasa malagasy 11 no mampiranty ny vokatrany ao amin’ny “Pavillon Madagascar” izay manandratra ny vita malagasy. Manana ny toerany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny vokatra malagasy, ahitana ny Lavanila, jirofo, kakaô, zava-manitra, menaka manitra sy ny maro hafa.





