Lalam-baovao Tsarasaotra : Mpitondra moto maty tsy tra-drano

Tsy tana ny ain’ny raim-pianakaviana iray tra-doza teny amin’ny lalam-baovao mampitohy an’Ivato sy Tsarasaotra, ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy 23 novambra lasa teo. Niainga avy any amin’ny lalan’Ivato nitondra moto marika Cygnus Gryphuis C6 ity lehilahy 26 taona ity. « Hamonjy ny lalan’i Tsarasaotra, mety hamonjy fodiana izy », hoy ny fanazavana avy amin’ny mpitandro filaminana eo anivon’ny polisim-pirenena. Nandeha mafy, heverin’ny mpanao famotorana ho tsy nahatsikaritra ny fiara nipetraka eo amin’ny sisiny havanan-dalana izy. Nipetraka teo amin’io toerana io ny fiara Renault 4 L iray. Nidona tamin’ity farany ny moto nentin’ilay raim-pianakaviana. Nipitika avy hatrany ka nifatratra tamin’ny fiara iray hafa marika Renault Kangoo. Voahitsak’ity fiara ny moto nentiny. Mafy ny fifandonana ka nitarika tamin’ny tsy fahatsiarovan-tena teo no ho eo an’ilay mpitondra moto. Namoy ny ainy segondra vitsy taorian’izay izy.
Anisan’ny fanta-daza amin’ny fikirakirana kodiaran-droa ary mpikambana anatin’ny fikambanana mpankafy kodiaran-droa eto Antananarivo Renivohitra ity raim-pianakaviana namoy ny ainy ity. Tohina ny ankamaroan’ireo namany sy ireo mpiray fikambanana aminy taorian’ny fahafantarana ny fahavoazany. Anisan’ny asa fivelomany rahateo ny famarotana moto sy ny kojakoja mifandraika amin’izany. Samy naneho ny fiombonany alahelo amin’ny fianakavian-dratompokolahy avokoa izy ireo. Marihina fa matetika miafara amin’ny fahafatesana ireo lozam-pifamoivoizana mihatra amin’ny mpitondra moto eny amin’ity lalam-baovao Tsarasaotra ity. Tokana ahafahana misoroka ny loza hatreto ny fitandreman’ny mpitondra moto sy ny mpamily fiara, araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana. Marihina fa namela kamboty roa ity raim-pianakaviana tra-doza tampoka teny Tsarasaotra, afakomaly alina ity.

Tsiferana R.

Partager sur: