Taranja anisan’ny mampisongadina ny tanora malagasy ny famoronana robot. Maro rahateo ny fifaninanana iraisam-pirenena, ka anisan’ny lehibe indrindra ny « Robotex ».
Michaël, Mathieu, Yakin ary Roméo. Ireo izy efa-dahy mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny fifaninanana « Robotex International 2026 », hatao any Corée Atsimo, ny 24 novambra hatramin’ny iray desambra. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Mvola etsy Ankorondrano ireo mpikambana sy ny sanganasan’ ireto tanora ireto.
« Anatin’ny sokajy Mini Sumo 500 g izahay no mifaninana. Misy ekipa 71, avy amina firenena maro maneran-tany ao amin’io sokajy io. Hiezaka izahay hisongadina amin’ny rehetra », hoy ny nambaran-dry zalahy. Mpianatra any Fianarantsoa izy efa-dahy, ary tany no niarahan’izy ireo niketrika ny robot entin’izy ireo mifaninana, rehefa nahafaka ny dingana rehetra mialoha izao famaranana izao. Ho an’ity sokajy « Mini Sumo 500 g » ity, mila manosika ny robot an’ny mpifaninana hivoaka ny faribolana raha te handresy. Haka endrika an’ireny « sumo » ireny, araka ny anarany, saingy robot no hanao azy.
« Ankoatra ny fanehoany ny fahaizany, fotoana iray hifaneraseran’ireto tanora ireto amin’ireo mpankafy ny tontolon’ny robot maneran-tany io. Hitondra ny voninahi-pirenena izy ireo, ka antony voalohany hanohan’ny MVola azy. Ankoatra izay, amin’ny maha orinasa dia tena ilaina ny fahaizana sy traikefan’ny tanora toa azy efa-dahy. Hampitombo traikefa, ary antenaina hizara amin’ireo namany rehefa tafaverina avy any. Horaisin’ny Mvola an-tanana ny dian’izy ireo », hoy ny fanambarana lehibe nataon’ny tomponandraikitry ny Mvola, omaly.
Nesorina ve i Kanto ?
Anisan’ny fanontaniana nandrasan’ny maro, napetraka tamin’ny ekipa malagasy io. « Efatra ny mpikambana tanatin’ny ekipa naharaisanay fangatahana, ka izay no novalianay. Tsy manakana azy hanao fangatahana koa anefa izay ho an’ny manaraka », hoy hatrany ny fanazavana.
Tao anaty ekipa tany am-boalohany tokoa i Kanto, saingy nisy safidy tsy maintsy nataony namonjy ny fianarany any Harvard. Tsy maintsy nanohy ny tetikasa kosa ireo namany, raha ny fanazavana hatrany.
Zo ny Aina





