Nanatanteraka atrikasa tany Antsohihy, ho fiomanana amin’ny fiatrehana ny vanim-potoana fahavaratra 2026-2027, ny BNGRC. Niarahana tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny sy ireo mpiara-miombon’antoka ho fandrafetana ny drafitra fiatrehana ny loza ao amin’ny faritra Sofia, nandritra ny roa andro, izany.
Nofaritana ireo toe-javatra mety hitranga sy ny loza ateraky ny rivodoza sy ny tondradrano. Nofantarina koa ireo fahaiza-manao sy fitaovana efa misy azo ampiasaina sy ireo filana laharam-pahamehana. Napetraka mazava koa ny andraikitry ny tsirairay sy ny rafitra fandrindrana eo anivon’ny faritra.
Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanamafisana ny fiomanana sy ny fandrindrana ny asa fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza eny ifotony ny dingana, ahafahana miatrika amim-pahombiazana ny vanim-potoanan’ny rivodoza.
Mandray anjara ireo mpiantsehatra rehetra ho fanatsarana ny fiaraha-mientana sy ny fahafaha-mihetsika ara-potoana manoloana ny loza. Manohana ny atrikasa ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (FAO) sy ny BNGRC.
Vonjy





