Notanterahina tao Nosy Be Hell-Ville, teny amin’ny seranam-piaramanidina sy ny seranan-tsambo, nandritra ny roa andro, ny fanazarantena ara-tahaka momba ny fitantanana tranga ahiahina ho Ebola. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-miomana sy ny fandrindrana ny asan’ireo mpiantsehatra rehetra eny amin’ireo toerana fidirana sy fivoahana iraisam-pirenena, hahafahana mamantatra haingana sy mandray an-tanana ara-potoana sy araka ny tokony ho izy ireo tranga ahina.
Dingana tsy maintsy atao amin’ny fisorohana sy ny fiomanana amin’ny mety ho fidiran’ny aretina eto Madagasikara izao fanazarantena izao. Ahitana sahady ireo paikady mahomby ahafahana mifehy ireo aretina mampiahiahy sy mandray an-tanana ireo mety ho tranga.
Hita taratra nandritra ny fanazarantena ny tanjaka sy fanatsarana mbola azo entina manoloana ny trangan’aretina mampiahiahy.
Dingana lehibe no vita, satria nahafahana manatsara ny fiaraha-miasa, ny fifampitam-baovao ary ny fahavononan’ireo sampandraharaha rehetra hiatrika ny loza ara-pahasalamana.
Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny OMS, Strides (Strengthening Infectious Disease Detection Systems), ary ny OIM Madagascar & Comores no nahafahana nanatontosa ny hetsika.
Vonjy





