INDRAY MIJERY

Nihaona sy nifanakalo hevitra mivantana tamin’ireo mpampianatra ENF, tao amin’ny école communautaire Antanantahana sy école communautaire Maroharona, Cisco Anjozorobe, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Hahafahany mihaino ny zava-misy sy ny filana eny anivon’ny sekoly sy mitady vahaolana maharitra ho azy ireo izany. Ho fanohanana ny sekoly, nanolotra dabilio miisa 50, tafo fanitso 178 ary baolina kitra miisa roa ny minisitera.

Hofaranana ny zoma izao, eny Ambohitsaina, ny fanamarihana ny faha-65 taonan’ny oniversiten’ Antananarivo. 1 300 ny mpianatra nahavita ny L3 sy M2 ary doctorat, navoaka tamin’ny fomba ofisialy nanomboka ny volana janoary no ho mankaty.

Ny 1 ka hatramin’ny 3 desambra ho avy izao, mikarakara atrikasa ahitana mpikaroka, malagasy sy vahiny, momba ny lohahevitra “L’héritage ancestral, lovan-drazana malagasy à l’épreuve du XXIe siècle: permanences et mutations” ny oniversiten’i Toliara.

Partager sur: