Tsipy kanetibe – «Mondiaux 2026»: Tompondaka maneran-tany i Madagasikara

Nihofahofa tany Thaïlande ny sainam-pirenena malagasy ary nanakoako tao Khon Kaen ny «Ry tanindrazanay malala», omaly. Nahazo ny medaly volamena fanintelony i Madagasikara, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy.

Nifarana omaly, tao amin’ ny kianja Khon Kaen, Thaïlande, ny andiany faha-52 amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany «Mondiaux 2026», taranja tsipy kanetibe, olon-telo miaraka, lehilahy sokajy «sénior». 10 taona aty aoriana, niverina eo am-pelantanan’ny Mala­gasy indray ny anaram-boninahitra. Resin’i Madagasikara, izay nahitana an’i Tendry, Balôty ary i Lova, teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 9, i France, nisy an’i Boneto, Sarrio, Montoro, taorian’ny “mène” miisa 12 nilalaovana. Niady ny fihaonana ary nampitaintaina hatramin’ny farany an’ireo rehetra na­natrika ny lalao. Nitarika tamin’ny isa 2 no ho 0 i France, avy eo nihoaran’ny Malagasy 3 no ho 2. Sahala 5 sy 5 taorian’io. Avy eo nitarika 9 no ho 5 ny Frantsay ary nosahalain’i Madagasikara 9 no ho 9. Teo no nitranga ny fahaizan’i Ten­dry naka isa. Notifirin’i Boneto izany, saingy ny bosoà no voa ka rava ilay “mène”. Mbola nahazo isa tsara indray i Ten­dry taorian’izay. Tsy voan’i Boneto, indroa izany rehefa notifiriny. Niezaka nanala izany indray taorian’izay i Sarrio fa tsy voa. Hany herin-dry zareo Frantsay, naka isa ka azon’i Montoro izany. Notifirin’i Lova ka afaka izany. Naka isa indray i Montoro ary nanaovan’i Lova “carreau”. Voatery nitifitra nanala izany i Sarrio, saingy tsy voaalany ny kanety. Nilavo lefona ny Frantsay ary tsy nilaina natsipy intsony ireo kanetibe mbola teny an-tanan’i Tendry sy i Baloty. “Faly aho satria tena niezaka ny mpilalaoko. Efa nolazaiko an-dry zalahy fa alaina io amboara io ary tanteraka izany. Nahitam-bokany ihany koa ny nanaovana ny safidy tamin’ny ekipa niatrika izany”, hoy i Hery Ratsimba, mpanazatra. Voahosotra ho tompondaka i Madagasikara.

Tompondaka

Partager sur: