TSELATRA

Nampidirina vonjimaika am-ponja ao Betroka ny mpamily sady tompon’ny fiara niteraka lozam-pifamoivoizana tany Ianabinda, Betroka, ny 17 novembre 2026 lasa teo. Voarohirohy miaraka aminy ihany koa ny mpanampy mpamily. Marihina fa nahatratra 33 ireo olona namoy ny ainy tamin’iny loza iny. Tsiahivina fa lasan’ny ranotrambo ny fiara rehefa hiditra ny tetezana Ianabinda ka nahatonga ny loza.
Lehilahy miisa roa avy nangalatra ny vola tao amin’ny mpampiasa azy no voasambotry ny polisy tany Toliara, ny alahady 22 novambra 2026 lasa teo. Nangalaran’izy ireo ny vola mitentina 10 000 000 Ar tao amin’ny efitranon’ilay mampiasa rehefa nandeha nivoaka ity farany. Tsikariny anefa fa nisy nanokatra ny fitoeram-bola ary efa nandositra ireo roa lahy mpiasany. Natao ny fikarohana ary tratra tany Andatabo izy ireo niaraka tamin’ny vola 7 000 000 ariary.
Nidoboka vonjimaika am-ponja, omaly, ilay lehilahy 21taona nampiely vaovao diso, nilaza ny fisiana angatra mamono izay olona tsy mifoha ao Morondava. Voasambotry ny polisy, ny alin’ny 21 novambra hifoha ny 22 novambra 2026 lasa teo izy. Ampahatsiahivina hatrany fa voararan’ ny lalàna ny fanakorontanana saim-bahoaka amin’ny alalan’ny fanelezana tsaho sy vaovao diso.

Partager sur: