Nomarihina teny amin’ny oniversiten’Antananarivo, omaly, ny faha-90 taonan’ny Pr Raoelina Andriambololona, mpanorina ny Ivontoeram-pirenena momba ny siansa sy teknika nokleary (INSTN). «Tokony hotohanan’ny fanjakana ny mpikaroka mba tsy hijanona fotsiny ao amin’ ny laboratoara ny fikarohany», hoy izy. Notsiahivina fa anisan’ny namorona ny vary tora-tady ny teto amintsika nefa ny firenena hafa no nampiasa azy. Tahaka izany koa ny mangahazo. Manampahaizana malagasy no nahavita namboly izany ka nahazoana 50 hatramin’ny 80 kg ny iray fototra. Tsara ny mangahazontsika ary azo anaovana mofo fa tsy tahaka ny any Afrika, araka ny nambarany hatrany.
Notsiahiviny fa betsaka ny sakana tao anatin’izany 90 taona izany. Manantena anefa ny tenany fa hamonjy ity firenena ity ireo manampahaizana marobe ireo. Nanteriny koa ny hijerena ny tanora sy ny ezaka vitany. Maro ireo nahavitabe saingy lasa nandao an’i Madagasikara.
Nambarany fa tena mandroso ny fikarohana nefa mitaky andraikitry ny rehetra izany. «Efa manana taninketsa isika izao. Efa tafita amin’ireo zafiafy ny hafatra», hoy izy. Mamoaka mpianatra dimy isan-taona, anao «Thèse» sy «Mémoire» amin’ny zavamisy eto an-toerana, ny INSTN natsangany, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa teny an-kianja ny fikarohana nataony ary nahitany ny fahendren’ny any ambanivohitra izany. «Hanompo firenena aho. Mahaiza manome. Ilaina ny miasa sy mamorona ary mamolavola olona. Aoka tsy hambakain’ny hafa», hoy ny hafany.
Synèse R.





