Fifanaraham-piaraha-miasa telo sosona no vita sonia, omaly, teny Ampandrianomby hanitarana ny famokarana angovo eto Madagasikara. Tetikasa iarahana amin’ireo mpampiasa vola momba ny famokarana angovo azo havaozina hatrany amin’ny 245 MW.
Hampitombo ny famokarana herinaratra sy hanatsara ny famatsiana manerana ny Nosy ny tetikasa. Anisan’izany ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny orinasa BASMAK, momba ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro amina faritra enina eto Madagasikara. Ao anatin’izany i Manakara, Mananjary, Morondava, Antsirabe, Tsiroanomandidy ary Antsiranana. Hanana tanjaka 60 MWc sy rafitra fitahirizana angovo 119,576 MWh ny fotodrafitrasa. Fiaraha-miasa izay haharitra 15 taona. Ankilany, hanana tanjaka 8 MW sy hamokatra herinaratra hatrany amin’ny 60,1 GWh isan-taona ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny riandrano ao Belaoko Lokoho, distrikan’Andapa, faritra Sava, miaraka amin’ny orinasa “Hydro Ingénierie Études et Réalisations” (Hier). Kaominina 19 sy toerana miisa 117, izay ahitana mponina 175 637 no hisitraka herinaratra avy amin’ny tetikasa. “Hampihena betsaka ny filàna ara-tsolika ny tetikasa ka hanajantsika ny fenitra iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana”, hoy ny minisitra Rabearimanga Radonirina Lucas. Hanana tanjaka hatrany amin’ny 127 MW ny tobim-pamokarana avy amin’ny masoandro apetraka ao Imerintsiatosika sy Carion. Tetikasa iaraha-miasa amin’ny orinasa GranVille. Hanamafy ny famatsiana ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ireo fotodrafitrasa ireo. “Hampihena ny fandaniana solika sy hampakarana ny famokarana hamaliana ny filan’ny Malagasy ireo tetikasa ireo”, hoy ny tale jeneralin’ny orinasa Jirama, ny jeneraly Rasolomanana Hajatiana. Nambarany fa mbola avy amin’ny solika avokoa ny 45% ny famokaran’ny orinasa.
Tetikasa
Andrasana tsy ela ihany koa ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny orinasa Scatec. Tetikasa hiompana amin’ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro izay hanana tanjaka 52,3 MWc.
Mitotaly hatrany amin’ny 29,75 tapitrisa euros ireo tetikasa, ka fanampiana avy amin’ny KfW ny 24 tapitrisa euros, raha avy amin’ny orinaa Hier kosa ny 5,75 tapitrisa euros.
Henintsoa





