Lavon’ny balan’ny zandary, omaly alina, tao amin’ny kizon’Antaikankana, fokontany Ambohibemasoandro, kaominina Ambohitrolomahitsy, distrikan’i Manjakandriana, ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Nesta Be. Namaky fahitr’omby iray tao Ambohibemasoandry izy tamin’io fotoana io ka tsikaritry ny polisim-bohitra satria nirongo fitaovam-piadiana rahateo ireo dahalo nanafika. Nahazo fampandrenesana avy hatrany ny zandary ka nidina teny an-toerana. Raikitra ny fanarahan-dia satria efa lasa ireo dahalo nandroaka ny omby tao am-bala. Nisy ny fifandonana satria tsy lasa lavitra ireo malaso dia tratran’ny fokonolona sy ny zandary mpanara-dia. Nifamaliana ny tifitra ka tao anatin’izany no nahalavo an’i Nesta Be raha tafaporitsaka kosa ireo namany efatra. Navelan’ireo jiolahy ny omby avy nangalariny. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary no nahafantarana fa anisan’ireo dahalo mpanao fanafihana mitam-piadiana sy halatr’omby ao amin’ny distrikan’i Manjakandriana hatrany Anjozorobe i Nesta Be. Hita teo akaikin’ny toerana nahafaty azy ny basy vita tanana iray niaraka tamin’ny taim-bala calibre 12 roa. Mitohy, araka izany, ny fikarohana ataon’ny zandary ireo jiolahy tafaporitsaka.
J.C