“Plateforme Moozik” : hivelatra amin’ny hira sy mpanakanto vahiny

Vokatra iray nitera-bokatsoa ho an’ireo eo amin’ny sehatry ny mozika malagasy ny Moozik. Hisy ny fivelarana amin’ireo hira sy mozika vahiny.

Omaly, nisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nataon’ny tomponandraikitra maro samihafa, ahitana ny avy eo anivon’ny orinasa Manoova sy ny Uni­versal Music ary ireo mpanohana maro samihafa maha­kasika ny dingana vaovao dia­vin’ny Moozik sy ny fampisehoana ataon’izy ireo amin’ny alahady izao. Tao anatin’izany no nampahafantarana misi­misy kokoa ny mahakasika ny fampisehoana hataon’i Frang­lish, rahampitso, eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina. Franglish izay mpanakanto miangaly ny gadona Rap fran­tsay. Hifampizara sehatra amin’ity mpanakanto ity, mandritra izany fampisehoana lehibe izany, i Shyn, anisan’ny Mala­gasy mpanakanto ma­nana ny maha izy azy.
Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ny orinasa Manoova, amin’ny alalan’ny Moozik. Ny Moozik izay sehatra iray hampivelarana ny hira sy hanomezana tombony kokoa ireo mpanakanto tompon’ny hira. Tanjona ao ana­tin’izany ny fampiroboroboana ny zavakanto malagasy sy fanomezana tosika ireo Mala­gasy mpihira. Sehatra iray eo anivon’ny tambajotra internet, ahitana hirana Malagasy mpanakanto.
Antony namoronana azy ny famaliana ny filàna sy ny zava-misy ankehitriny iainan’ ny Malagasy. Hirana malagasy mpanakanto manodidina ny 4 000 no hita ao anatin’ny Moozik. Nanomboka nampiasain’ny rehetra izy io ny volana jolay 2024. Anisan’ny fanamby sy vinan’ny orinasa Manoova ny fanamorana ny fiainana andavanandron’ny vahoaka amin’ny alalan’ireo vokatra maro samihafa vokarin’izy ireo.

“Manome ny tsara kokoa hatrany”

Fangatahan’ireo mpampiasa ny Moozik, taorian’ny fampidirana ireo hirana Mala­gasy mpanakanto, ny tokony hivelaran’ny Moozik amin’ireo vahiny mpanakanto. Ho famaliana izany no niarahan’ny orinasa Manova niasa tamin’ny Universal Music, ho fanatsa­rana ny Moozik sy hamaliana ny fangatahana sy filàn’ny mpam­piasa azy. Ny Universal Music izay vondrona mise­hatra amin’ny zavakanto. Ani­san’ny sangany eto amin’izao tontolo izao izy amin’ireo orinasa misehatra amin’ny fampialana voly sy mozika. Ani­san’ny iseharan’ny Universal Music Groupe ny fanaovana fandraketana, fanotana mozika, sy ny asa rehetra manodidina ny famokarana. Ny vina irai­san’ny roa tonta amin’ny fampiroboroboana ny zavakanto. Eo ihany koa ny fahombia­zan’ny orinasa Manoova, amin’ ny alalan’ny Moozik, sy ny trai­kefa ananan’ny Universal Music.
Ahitana hirana vahiny mpa­nakanto, araka izany, ao amin’ ny Moozik, manomboka izao. Hira sy mpanakanto mifana­raka amin’ny filàna sy fangatahan’ny mpampiasa no ho hita ao anatin’ny Universal Music Group. Ho fanamari­hana izany dingana vaovao ho amin’ny tsaratsara kokoa izany no nanaovana ny fampisehoana “Nexthope”, iarahana amin’i Franglish sy Shyn.

Mpanakanto samy sangany

Tsy zoviana amin’ny Ma­lagasy intsony, indrindra ireo mpankafy mozika ankehitriny, i Shyn. Manana ny mampia­vaka azy ny hirany. Anisan’ny mpanakanto manana ny maha izy azy eto Madagasikara izy, ankehitriny. I Shyn no hanokatra ny fampisehoana, ny alahady 22 septambra 2024, eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena, amin’ ny alalan’ireo hira nahafantarana sy nankafizan’ny maro azy. “Efa vonona tanteraka ny ekipa hanome seho miavaka ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy”, hoy i Shyn. Franglish sy ny tariny kosa no handimby an’i Shyn amin’ny fanafanana ny sehatra mandritra ny fampisehoana. An­koatra ny hira, anisan’ny mam­piavaka ny tarika Franglish, rehefa miaka-tsehatra, ny dihy. Efa vonona ihany koa izy ireo hianoka fampisehoana miavaka miaraka amin’ny mpankafy eto Madagasikara. Haharitra adiny telo eo ho eo ny fampisehona, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Miankina amin’ny hafanan’ny fiarahana no faharetan’izany, araka ny nambaran’ireo mpanakanto mpandray anjara.

Lin
Sary : Fanou

Partager sur: