Rugby- Fanomanana ny « WXV III »: nomen’i Kenya lesona ny Makis Ladies

Nomontsanin’ny Lionesses Kenya, tamin’ny isa mavesatra 63 no ho 19, ny Makis Ladies de Madagascar, omaly, tany Nairobi Kenya. Miandry an’i Madagasikara any Dubaï ny ekipa nasionaly espaniola.

Notontosaina omaly, tao Nairobi, ny fihaonan’i Madagasikara sy Kenya. Lalao hanomanana ny fifaninanana iraisam-pirenena “WXV III”, izay hatao any Dubaï, ny 27 septambra-12 oktobra ho avy izao, ho an’ny taranja rugby, sokajy vehivavy. Ratsy ny vokatra ho an’ny vehivavy malagasy, tamin’ity fifanandrinanana ity. Lavon’ny ekipa kenianina, mpampiantrano tamin’ny isa 63 no ho 19 izy ireo. Afa-bela tamin’ny ekipa nasionaly malagasy, araka izany, ry zareo liona vavy kenianina, efa resin’ny Makis 29 no ho 22 i Kenya, nandritra ny « Can 2024 », izay natao tetsy Andohata­penaka, ny volana mai lasa teo.
Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, ny Makis Ladies no nahatondra baolina nentin-tanana voalohany, rehefa tafaporitsaka tampoka i Zouanah, roa minitra nanombohan’ny lalao, voatsaran’i Jinah izany, nitarika 7 no ho 0, i Madagasikara. Taorian’izay, nisesisesy ny baolina voatsindry ho an’i Kenya. Efa nahazo isa 31 izy ireo vao nahatondra baolina indray i Sophie, mpilalaon’ny Makis, ka lasa 31 no ho 14 ny isa teny amin’ny solaitrabe, mitarika hatrany ny liona kenianina. Alohan’ny hidirana any amin’ny fialantsasatra, nampian-dry zareo kenianina indray ny isa ka lasa 36 no ho 14.
Teo amin’ny fidirana faharoa, nampiseho ny heriny hatrany ny kenianina. Maro ireo baolina voatsindry ka niafara tamin’ny 63 no ho 19 ny isa, nisarahan’ny roa tonta. Resy ny Makis Ladies de Madagascar. « Marina fa resy tanteraka izahay, saingy efa hita fa mipetraka tsara ny taktika entina any amin’ny fifanintsanana WXV III. Mety tsy ho ampoizin’ny rehetra ny vokatra azonay any Dubaï », hoy i Sarindra, kapitenin’ny Makis Ladies.

Fitia Randria

Partager sur: