Basikety-N1A : hiatrika ny “Road to Bal” ny tompondaka

Hanomboka afaka herinandro ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, N1A “Elites 8”, taranja basikety. Fifaninanana hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Araka ny fantatra, hiatrika ny “Road to Bal 2025”, izay ekipa tompondaka eo amin’ny sokajy lehilahy, mandritra ity dingana farany amin’ny N1A ity. Eo amin’ny fandaharam-potoana kosa, efa fantatra ka anisan’ny hifaninana voalohany, ny Ankaratra Vakinankaratra sy ny GNBC Analamanga, sokajy vehivavy, ny SBC Vakinan­karatra sy ny Ascut Atsina­nana kosa no hisantatra ny lalao eo amin’ny lehilahy, ny alakamisy 26 septambra izao. Hatao ny 28 septambra kosa ny fanokafana ny fifaninanana, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Ho mafimafy ny miandry ny mpifaninana mandritra ity fifaninanana nasionaly N1A ity satria lalao 7 be izao no hataon’ny ekipa iray mandra-pahatonga any amin’ny dingana farany.
Tsiahivina, ekipa lehilahy 8 sy vehivavy 8 tafiditra ao anatin’ny “Elites 8” no hiady ny anaram-boninahitra amin’ity fifaninanana ity. Ho an’ny sokajy N1A vehivavy, mandrafitra azy ny GNBC, Ascut, Fandrefiala, USJFM, MB2 ALL, JEA, Fandrasa ary ny Ankaratra. Eo amin’ny sokajy lehilahy kosa, ny COSPN, Ascut, BCV, Cosfa, GNBC, MBC, SBC ary ny NGB no tafakatra hiatrika izany amin’ny famaranana ny fifaninanana nasionaly N1A.

Mi.Raz

Partager sur: