Lavo nandritra ny fifandonana tamin’ny andian-dahalo 70 mahery nanafika fokontany telo tao amin’ny distrikan’Antanimora Atsimo, ny alin’ny 20 septambra 2024 teo, ny miaramila telo lahy : ny SGC Dorsel Rolland sy S2C Ravelomahazo, samy avy eo anivon’ny Holafy faharoa ao Bekily ary ny S2C Nantenaina Stéphano Jean Zoré avy eo anivon’ny Bataillon Recamp. Nanatanteraka fisafoana tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Beraketa, distrikan’i Bekily, izy ireo taorian’ny antso mombana fanafihan-dahalo tao amin’ireo fokontany telo, tamin’io alina io. Lasan’ireo malaso nandritra ny fanafihana ny omby miisa 135. Mafy ny fifandonana tamin’ ireo dahalo ka lavo tamin’izany ireto miaramila telo lahy ireto niaraka tamin’ny tompon’omby.
Jean Claude