Kitra – D2 Nationale: nomontsanin’ny FC Theo, 3 no ho 0, ny FCA Ilakaka

Notanterahina omaly, teny amin’ireo kianja roa, Ambo­hidratrimo sy Elgeco Plus Stadium By-pass, ny andro fahatelon’ny “Poule des AS” amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa, taranja baolina kitra. Ratsy ny vokatra ho an’ny FCA Ilakaka. Lavon’ny FC Theo Sava, 3 no ho 0, izy ireo, omaly, teny Ambohidra­trimo.
Raha tsiahivina ny andro faharoan’ireto ekipa roa ireto, ny FC Theo efa nandresy ny AS Fos Analanjirofo, 2 no ho 0, teny By-pass, ny zoma lasa teo. Ny mpilalaon’Ilakaka, na­nao ady sahala, 2 no ho 2, tamin’ny FC Avenir du Sud Anosy.
Ankoatra izay, mbola na­nao ady sahala, 3 no ho 3, tamin’ny ekipan’Analanjirofo ihany koa ny solontenan’ Ano­sy, omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus. Araka ny fikarohana natao, tsy mbola resy mihitsy ny FC Avenir du Sud, izay manana isa dimy amin’izao fotoana izao.

Hanala vela ny FCA

Ankoatra izay, hotontosaina manomboka rahampitso, eny amin’ireo toerana roa ireo ihany, ny fihaonana miverina amin’ity fifanintsanana ity. Hanala vela amin’ny FC Theo ny klioban’ny FCA Ilakaka. Fifanandrinanana izay hotanterahina eny amin’ny kianja Elgeco Plus By-pass. Araka ny fikarohana natao hatranny, ry zareo avy any Ilakaka no handray io fihaonana io. Tsy maintsy hitady fandresena eny Ambohidratrimo kosa, ny iray amin’ny AS Fos sy ny FC Avenir du Sud.

Fitia Randria

Partager sur: