Nanafika tranombarotra teny Ankasina : tratra ireo jiolahy sy ny mpamatsy basy

Voasambotry ny polisy teny Ankasina, afakomaly, ireo andian-jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tranombarotra iray eny an-toerana. Notafihin’ireo jiolahy ny tranombarotra lehibe iray eny Ankasina, ny 17 septambra lasa teo. Polisy ao amin’ny kaomisarian’ny 67 no nahasambotra azy ireo niaraka tamin’ny basy, tamin’io fotoana io. Tao anatin’ny famotorana nataon’ny polisy no nahafantarana fa mpiambina ilay tranombarotra ny roa amin’ireo jiolahy tratra, raha mpiray tsikombakomba kosa ny iray tratra ny 18 septambra. Nam­baran’izy ireo tao anatin’ ny famotorana fa izy ireo ihany koa no nanafika karana mpandraharaha teny Tsa­ralalana, ny 10 septambra lasa teo. Nosamborin’ny polisy teny Loharanombato koa ny lehilahy iray mpamatsy basy sy bala ireto jiolahy ireto.
Maty voatifitry ny polisy ao amin’ny kaomisarian’Itaosy teny Ambodifasika Itaosy, afakomaly, koa ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny vaky trano sy halatra. Nandritra ny fisafoana teny amin’ny fokontany Ambodifasika no nifanehatra tamin’ny jiolahy telo nitsoaka avy ao amina trano iray tsy nisy nipetraka ny polisy. Raikitra ny fifanenjehana ka tratra ny roa lahy raha nampiasa antsy kosa ny iray ka voatery nitifitra ny polisy. Lavo tamin’izany ity jiolahy ity. Anisan’ireo jiolahy tompon’antoka tamina halatra miharo herisetra tao amin’ny fokontany Amboatavo Itaosy ity lavon’ny polisy ity.

J.C

Partager sur: