“Kafe literera” : hitafa amin’ny mpankafy azy i Johary Ravaloson

Tanterahina rahampitso, eny amin’ny trano famakiam-boky «Mille feuille» Ankoraho­tra, ny hetsika «Kafe literera», iarahana amin’ny mpanoratra Johary Ravaloson. Ny mahakasika ny boky «Fitiavana- Tanindrazana- Fozaorana» no resahina ao anatin’izany. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny tafa sy fizarana atolotr’ity mpanoratra manana ny maha izy azy ity amin’ireo mpankafy azy eto Madagasikara. Tan­jona ao anatin’izany ny hanomezana fanararaotra ho an’ ireo mpanoratra eto Madaga­sikara, indrindra ireo vao misandratra, ireo paikadim-pahombiazana avy amin’i Johary Ravaloson.
«Fitiavana- Tanindrazana- Fozaorana», “Tribunal de cailloux”. Ireo no anisan’ny sanganasa nahafantaran’ny maro an’i Johary Ravaloson. Mampiavaka ity Malagasy mpanoratra iray ity ny fahaizany mampiasa ny teny rehefa manao asa soratra. An­isan’ izany ny lohatenina asa soratra izay fohy sy tsotra ary mazava. Porofon’izany ny boky navoakany farany «Fitiavana- Tanindrazana- Fozaorana», izay nanakoako hatrany ivelany raha vao nampahafantariny fotsiny.
Ao anatin’ny fandalovana eto Madagasikara ity Malaga­sy mpanoratra ity, amin’izao. Maro ny hetsika iarahana aminy ao anatin’izay fandalovany eto an-toerana izay. Marihina fa ankoatra ny fahombiazana amin’ny boky izay navoakany. Fifaninanana sy hetsika eo amin’ny tonto­lon’ny haisoratra, teto an-toerana sy tany ivelany, no efa nandraisany anjara.

Lin

Partager sur: