«Eto ry lala» ! Hira sy tononkalo hotanterahina ny alahady 27 oktobra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Havoria Anosy. Seho tsy fahita tao anatin’ny taona maro. Hiaka-tsehatra ho an’ny hira ny tarika Ny Voamaintilany, i Benny ary i Voara (Tarika Fangia Kalo Gasy). Ratsifa sy Avelo Nidor kosa ho hiantsa tononkalo. Hirindra kosa ny vontoatin’ny hira sy ny Tononkalo.
«Revy takariva», hiarahana amin’ny tarika Jeneraly sy Tsiakoraka, eny amin’ny Le Pavé Antaninarenina, ny 28 septambra izao manomboka amin’ny 7 ora hariva. Samy hitondra ireo hira nahafantarana azy ny tarika tsirairay. Anisan’ny fotoana iandrandran’ny mpitia zavakanto hahitana fiarahana eny an-tsehatra ho an’ny roa tonta ihany koa anefa io!
Hitohy ny fanomezam-bonahitra an’i Fanaiky. Tonga tao amin’ny Angaredona ny vady aman-janany, ka ny anjara fotoana tokony niakaran’i Fanaiky sehatra no nilalavaon’i Ray Fanaiky, zanany lahy, sy i Hajazz, rahalahiny. Nanambara ity farany fa mbola misy fotoana hatokan’ny tarika Solomiral ho an’ity rahalahiny ity, ato ho ato, ankoatra ny amin’ny “Madajazzcar”.
Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny IFM Analakely, ny “Concer Classique de Midi”, karakarain’ ny Madagascar Mozarteum. Ilo Rakoto, mpitendry piano no hampianoka fampisehoana miavaka ho an’ ireo mpankafy ity hetsika ity. Ho re mandritra izany ny hiran’i Cimarosa, JS. Bach, Liszt ary Chopin.