Mirongatra ny doro tanety: May ny tanàna!

Toy ny isan-taona, fotoana mampirongatra ny doro tanety sy ny doro ala ny volana septambra sy oktobra toy izao, mandra-pahatonga ny oram-pahavaratra. Anisan’ny sasatry ny may ny eny Ankazobe, eto Analamanga.

Araka ny efa notaterina teto, omaly, mirongatra ny afo manamorona ny lalam-pirenena fahefatra (RN 4), indrindra ny manodidina ny eny Ankazobe. Tsy vao izao no nisian’izany fa efa fahita isan-taona. Tamin’ity taona 2024 ity, nanomboka nahitana doro tanety, ny volana aogositra teo, ny tany amin’ny Faritra arovana Isalo any Ihorombe. Taorian’izay, may koa nandritra ny tapa-bolana, nanomboka ny 9 hatramin’ny 20 septambra teo, ny Tahirin’ala any Angavokely. Mirongatra koa, ny doro tanety sy ny doro ala kininina any amin’ny manodidina an’Andranomay, fokontany farany atsimo atsinanana an’Anjozorobe, ny faran’ny herinando teo.

Araka ny voalaza etsy ambony, saika efa may daholo ny tanety any Ankazobe. Toerana tena tandindomin-doza amin’ny afo ny Tahirin-javaboahary manokana any Ambohitantely. Nahery vaika ny doro ala tany an-toerana tamin’ny oktobra 2022. Nifanome tanana nidina tany an-toerana, namono afo avokoa ny hery rehetra, hatramin’ny fanjakana foibe taty Antananarivo.

Fiomanana
Mitranga isan-taona ny doro tanety sy ny doro ala eto amintsika. Araka ny tatitry ny Rafitra iraisam-pirenena manara-maso ny ala na Global Forest Watch (GFW), nahatratra 510 000 ha ny ala sy tanety may teto Madagasikara, ny taona 2017. Nambaran’ny fikambanana WWF Madagasikara fa ho ringana ny 80% amin’ny ala voajanahary eto amintsika, raha mitohy izao fahasimban’ny ala izao.

Tsy mionona amin’ny famonoana afo, izay hita fa tena mafy sy sarotra, ny ady amin’ny doro tanety sy doro ala. Efa atao any an-tsekoly ny fanabeazana ny olom-pirenena mahakasika ny fikajiana ny tontolo iainana. Mila hamafisina ny fisorohana mialoha ny voina, ny fanaraha-maso ary ny fampiharana ny lalàna famaizana.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: