Fizahantany: fiaraha-miasa ONTM sy ny Air France

Natao sonia ny 18 septambra 2024 teo, tany Paris, ny fifanarahana eo amin’ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara sy ny kaompania Air France. Nandritra ny hetsika “Salon IFTM Top Résa” no nanatanterahana izany.

Hanomboka hihatra amin’ ny taona 2025 ity fiaraha-miasa ity, araka ny voasoritra ao anaty drafitrasa stratejika. Nanao sonia ny fifanarahana ny talem-panatanteraky ny ONTM, Barivelo Danny, andaniny, sy ny tale ara-barotry ny Air France Frédéric Descours, ankilany. Anisan’ny nanatrika teo koa ny filohan’ny Filan­kevi-pitantanan’ny ONTM, Ranai­voari­manana Ionjaniaina.

Tanjona amin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ny hanamafisan’ny Air France ny fampiroboroboana ny fitsidihana an’i Madagasaikara eo amin’ ny tsena eoropeanina. Anisan’ ny hiarahana manao ny serasera sy ny fampahalalam-baovao iombonana, hampahafantarana fa toerana tsara tsidihina tsy azo ialana ny mankaty amintsika.

Njaka A.

Partager sur: