Miisa 90 ny osy natolotra ny tokantrano 30 any amin’ny tanàna vaovao naorina any Bezeky Menabe. Samy nahazo osy lahy iray sy vavy roa ny isan-tokantrano. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa «Titre vert», napetraky ny filoham-pirenena ity hetsika ity, tamin’ny alalan’ny Fitantanam-paritra Drae Menabe. Hisy koa ny fanohanana ny fiompiana tantely.
Nikatona nanomboka ny 15 septambra teo hatramin’ny 15 novambra ny fotoam-panjonoana any amin’ny faritra Vakinankaratra manontolo. Marihina fa samy manana ny fe-potoany ny faritra tsirairay, ary misy koa ho an’ny seha-pihariana manokana, toy ny makamba (crevette sy langouste), ny horita, sns.
Miara-miasa ny LNTPB sy ny Ininfra, samy sampandraharaha eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Misahana ny fampiofanana ny lafiny jeoteknika ny Ininfra, izay ilain’ny laboratoara misahana ny asa vaventy LNTPB. Afaka mampiasa ny fitaovan’ny LNTPB ny mpiofana ao amin’ny Ininfra.