30 000 taonina isan-taona monja ny vokatra trondro eto Madagasikara raha tokony ho 160 000 taonina izany. Niakatra 7 kilao isan’olona, isan-taona, nanomboka tamin’ny herintaona ihany koa ny tahan’ ny fihinanana trondro eto amintsika, raha toa ka manodidina ny 3,5 kilao izany taloha. Na izany aza, mbola ambany io taha io, izay tokony hahatratra 24 kilao isan-taona. “Mandray anjara 7% amin’ny harinkarena faobe eto Madagasikara ny fanondranana trondro, tanjona ny hiakaran’izany ho 16%”, hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga. Notohizany fa tao anatin’ny telo taona, mbola tsy nanome fahazoan-dalana ireo vahiny hanjono trondro ankoatra ny lamatra ny minisitera.
Mamelona fianakaviana maro sy mampidi-bola ho amina tokantrano anarivony ny fiompiana trondro. Vina apetraky ny fitondram-panjakana ny hampiroborobo ny jono eto Madagasikara. Tanjona ny ny haha matihanina ny mpanjono hatrany amin’ny 37 500 manerana ny Nosy. Ankehitriny, miisa 3 700 ireo nisitraka fiofanana momba ny fiompiana trondro avy amin’ny minisitera, raha toa ka 2 300 izany taloha.