Federasiona Taekwondo malagasy : nofoanana ny fampivondronana ny ekipam-pirenena

Tsy raikitra ny fampivondronana an’ireo mpikatroka taekwondo 33 mianadahy izay tokony hatao rahampitso. Raha ny fantatra, efa nandefa anarana atleta roa mialohan’ny fotoana ny filohan’ny Federasiona malagasy taranja Taekwondo teo aloha, ka tsy misy antony hanaovana ny fampivondronanana farany intsony.

Hotanterahina any Ko­rea, ny 1 hatramin’ny 6 oktobra ho avy izao, ny fiadiana ny amboara maneran-tany taranja taekwondo, ho an’ny sokajy Junior, lahy sy vavy.
Nilaza ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny taek­wondo (FMTKD), fa hitsahatra ny fampivondronana ny ekipam-pirenena noho ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitantana ny rafitra federaly teo aloha. Araka ny fanazavana azo, efa nandefa anarana tany amin’ny Federasiona iraisam-pirenena ity lehiben’ny FMTKD teo aloha ity, ny volana jona lasa teo, raha toa ka ny volana aogositra teo kosa ny rafitra vaovao vao nanatanteraka fampivondronana. Ra­ha tsiahivina, rahampitso no tokony hatao ny andrana farany hahafantarana izay hisolontenan’i Madagasikara amin’izany. Ireo atleta efa anaty lisitra ireo izany no solotenan’i Madagasikara any Korea.
“Mampalahelo tanteraka ny zava-misy. Mipetraka ho traikefa ho an’ireo ankizy ireny fampivondronana natao ireny. Tsy mbola manana ny Code international izahay, tsy mbola nafindran’ilay lehiben’ny FMTKD teo aloha tamin’ny fitantananay izany, tsy tonga nanatrika ny fifamindram-pahefana moa izy”, hoy ity mpampita vaovao ity. Nomarihiny ihany fa raha ny feo mandeha any amin’ny Federasiona iraisam-pirenena, hanatrika ny fivoriambe ara-potoana, izay hatao any Korea, ity tomponandraikitra tao amin’ny Federasiona teo aloha ity. Nilaza nefa ny mpitantana ny Taekwondo malagasy vaovao fa hiezaka hamaha ny olana amin’ny fomba rehetra, mba hafahan’izy ireo mandefa atleta any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, sokajy Senior, izay hatao any Hong Kong.

Fitia Randria

Partager sur: