Karate-Analamanga : nahazo vokatra tsara ny Makawa

Tsy nitsanga-menatra ny klioban’ny Makawa, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja karate, notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina. Tsara ny vokatra ho an’ity klioba ity. Medaly volamena 3, volafotsy 4 ary alimo 2 no azon’ny mpikatroka avy amin’ny Makawa. “Niezaka ny tsirairay”, raha ny nambaran’ny mpampianatra eo anivon’ny klioba, Sensei Mamy. “Tsy misy vintana amin’ny fifaninanana fa valin’ny ezaka ny vokatra azo”, hoy hatrany ny nambarany. Hotohizana hatrany izay ezaka izay ary efa manomana sahady ny fifaninanam-pirenena hatao any Toliara, ny faran’ny volana oktobra izao, ireo tompondaka avy amin’ny Makawa, hisolotena an’Analamanga. Tsiahivina fa manana mpikatroka anisan’ny sangany eto Madagasikara ny Makawa ary klioba efa ela nisiana. Efa nisy tamin’ireo karateka avy amin’ny Makawa no nisolotena an’i Madagasikara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika.

Mi.Raz

Partager sur: