Rugby-sokajy lehilahy : hiady toerana hiakarana ho «Top 8» ny Makis

Firenena 8 no hiady ho lohany hiakarana ao amin’ny “Top 8”, aty Afrika, amin’ny taranja rugby lalaovina olona 15, sokajy lehilahy. Hotan­terahina any Maroc sy Tunisie izany fifanintsanana izany, ny 7 ka hatramin’ny 18 novambra ho avy izao. Anisan’ireo hiatrika izany ny Makis de Madagascar.
Nozaraina roa ireo mpifaninana ka hifampitana any Maroc, ny Makis de Mada­gascar sy i Zambie ary i Cameroun. Any Tunisie kosa ny ekipan’i Ghana, Botswana ary i Nigeria. Avy hatrany dia lalao manasa-dalana no hatao ka hifampitana amin’ny Makis ny Liona tsy voafolak’i Cameroun ary i Maroc hifampitana amin’i Zambie, andaniny.
Ankilany indray, i Tunisie hifanandrina amin’i Ghana ary i Botswana hidona amin’i Nigeria. Hiady ny toerana iray hidirana ho“Top 8” izay voalohany any Maroc sy ny lohany any Tunisie. Tsiahivina fa misolo ny toeran’i Burkina Faso, izay midina any amin’ny sokajy ambany izay tafavoaka amin’izany.
Efa misy ny fampivondronana ireo mpilalao sasany nantsoina ary efa miatrika ny fanazaran-tena eny amin’ny Kianja Makis izy ireo, amin’izao fotoana. Marihina fa izao indray ny Makis de Mada­gascar vao hiakatra kianja, raha tamin’ny taona 2021 no nahitana azy ireo farany. Mbola fiaraha-mitantan’ireo teknisianina ny fitantanana sy fanomanana ny Makis fa tsy mbola voatendry izay ho mpanazatra hitondra azy ireo.

Tompondaka

Partager sur: