Ramatoa iray hita faty tao an-tranony, ao Ambohitsoanandriana, fokontany Soalanitra Ambohitrambo, distrikan’ Arivonimamo, omaly maraina. Nahazo fampandrenesana vao maraina, tamin’ny alalan’ ny sefo fokontany ao Soalanitra ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritra Arivonimamo momba ny fisian’ity olona hita faty ity. Nentina haingana teny an-tranon’ilay renim-pianakaviana niharam-boina ny zandary niaraka tamin’ny dokotera ka voamarina tokoa izany. Hita tao an-tranony izy mihosin-dra. Nandritra ny fizahana nataon’ny dokotera no nahitana fa voatsatoka antsy teo amin’ny tratrany nahazo ny fony izy. Tsy vitan’izay fa mbola niharan’ny fanolanana ihany koa io vehivavy io. Vonoan’olona feno habibiana no nihatra taminy satria tsy nahitana trangana vaky trano tao aminy sady tsy nahitana soritra izany ny varavarambe sy ny varavarankely. Voalaza fa lasa namonjy fandevenana any Ankorondrano Ampefy, Soavinandriana, ny vadiny. Tovolahikely iray no nahita ny namonoan’ireo jiolahy ilay renim-pianakaviana. Nofatoran’ireo olon-dratsy teo ambony fandriana izy ka nentina haingana namonjy hopitaly. Nametraka hafatra tamin’ ny alalan’ny taratasy teo ambony latabatra ireo nahavanon-doza taorian’ny herisetra nataon’izy ireo. Mitohy, araka izany, ny famotorana ataon’ny zandary momba ity raharaha vonoan’olona ity.
J.C