Antony iray tsy mampivelatra ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ny tery vay manta mianjady aminy. Zanaka mpanakanto, mihevi-tena ho mpanakanto avy hatrany. « Kolom-body » ambara ho kolontsaina malagasy. Ny ratsy (mitsipaka ny soatoavina) dokafana ho tsara sy fandrosoana… Tery vay manta avokoa ny tahaka ireo. Saika tratra tahaka izany ny ankamaroan’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy fa ny endrika isehoany fotsiny no mety miovaova.
Hatramin’izao, mbola olana be ho an’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ny manaiky fa midadasika i Madagasikara. Samy manana ny fombany, ny kolontsainy, ny kantony, sns. Noho izany, ny fampandrosoana any ifotony no tsara indrindra raha te hivelatra fa tsy ny fanaovana tery vay manta, izay mety ho tonga hatrany amin’ny famingavingana ny an’ny hafa.
Noho izany, mitaky fandraisana andraikitra goavana hatrany ifotony ny fanarenana ny lesoka. Raha tiana ho tonga harena ireo kolontsaina malagasy marobe, tsy maintsy manome lanja sy hasina ary manandratra ny manandrify azy ny Malagasy any ifotony. Amin’izay fotoana izay, tsy ho lany fotoana himenomenona «tsy kolontsaina malagasy io… io» !… Apetraka ho zava-dehibe ihany koa ny fifanajana. Tsy vaovao amin’ny Malagasy rahateo izany!
HaRy Razafindrakoto