TARATRY ny KANTO

Fa nankaiza ireo mpilalao teatra? Efa noraisin’ny Malagasy ho anisan’ny kolontsainy ny teatra klasika. Nanana tropy na tarika mpilalao teatra vitsivitsy efa nanana ny mampiavaka azy i Madagasikara, indrindra fa Antananarivo. Tsy tazana eny an-tsehatra intsony izy ireny tao anatin’ny folo taona. Ankoatra ny tsy fisian’ny toerana ilalaovana, somary natory ny teatra klasika malagasy.
Tsy manana fahalalana ny hamorona… Tao anatin’ny 5 taona, niroborobo fatratra ny famerenana. Tsy anavahana, fa rehefa mety ho zavakanto, tratran’io avokoa. Ny hira no tena nisongadina. Anisan’ny fanisatra lehibe tsy mampivelatra ny zavakanto malagasy ny famerenana, satria, sady mety hanimba ny fototra no mitarika hakamoana ho an’ny hafa.
“Music on fire”, misokatra ho an’ireo tia mozika rehetra ny etsy amin’ny No Comment Bar Isoraka. Anio, manomboka amin’ny 8 ora alina izy ity, hanomezana sehatra ireo tia mihira. Efa misy mpitendry matihanina kosa hanaraka izany. Malalaka ny sehatra sy ny karazan-kira sy gadona amin’io.
Ambohi-pihaonan’ny mpankafy “Slam poèsie” indray ny eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, anio tolakandro. Misy ny sehatra misokatra ho an’ny rehetra ahafahan’ireo vao misandratra maneho ny maha izy azy. Eo ihany koa ireo efa matihanina izay manamafy sy mizara ny fahaiza-manao sy ny traikefany.

Partager sur: