Tsy anisan’ireo firenena handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra lalaovina amin’ny torapasika na beach soccer ny Barea de Madagascar. Valo ireo firenena hiady ho lohany amin’ity.
Notontosaina tao amin’ny foibe toeran’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf) tany Egypta, ny alakamisy 19 septambra lasa teo, ny antsapaka ho an’ ireo firenena hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2024), taranja beach soccer. Tsy anisan’ireo firenena mandray anjara amin’ izany ny Barea de Madagascar. Raha tsiahivina, tompondakan’i Afrika, ny taona 2015, ary niatrika ny “Mondial” tany Portugal ny Barea. Taorian’io, tsy tafakatra intsony ary izao tsy hita tabilao izao mihitsy.
Valo ihany ireo ekipa hiady ho lohany sy ny tapakila hiatrehina ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2025, sambany hatao aty Afrika. Hampiantrano izany i Seychelles, izay handray ireo firenena 24 maneran-tany tafita amin’izany dingana famaranana izany.
Raha hiverenana ny antsapaka, ao amin’ny vondrona “B” no misy ny Lion de la Teranga Sénégal, tompondaka farany. Miara-dalana aminy ao i Mozambique, Malawi ary i Mauritanie, voalohany tafita amin’ izao Can izao.
Vondrona “A”, lazaina fa maozatra, no misy ny Faraonan’i Egypta, mpampiantrano, izay tafaraka amin’i Lion de l’Atlas, nandrombaka ny medaly alimo indroa miantaona, ary ny kintana maintin’i Ghana sy i Tanzanie.
Tsiahivina fa hatao ao amin’ ny torapasik’i Hurghada ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity, manomboka ny 19 ka hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao. Nanatrika sy nanome voninahitra ny antsapaka ireo andrarezin’ny beach soccer afrikanina, ilay senegaley Ibrahima Ndiaye (Chita) sy
ilay egyptianina, i Hossam Salama, mpilalaon’ny Zamalek FC tamin’ny baolina kitra lalaovin’olona 11, saingy nivadika taty amin’ny beach soccer, taty aoriana.
Tompondaka