Notontosaina omaly, teny amin’ireo kianja roa, Ambohidratrimo sy Elgeco Plus By-pass, ny andro fahefatra, lalao miverina, amin’ny fifaninanam-pirenena « Poule des As » diviziona faharoa nasionaly, « World Cola Ligue des Champions ». Mbola tsara toerana ny ekipan’ny FC Avenir du Sud Anosy. Nahazo isa telo indray izy ireo, omaly, teny Ambohidratrimo, rehefa nandresy ny AS Fos Analanjirofo, tamin’ny isa 3 no ho 2.
Mitana ny laharana voalohany ity klioban’Anosy ity ary manana isa 8 amin’izao fotoana izao. Raha hiverenana ny lalao efatra vitan’ireo mpilalaon’ny FC Avenir du Sud, nahazo fandresena indroa sy ady sahala roa izy ireo. Tsiahivina fa ity klioba ity, tsy mbola resy mihitsy nandritra ity fifanintsanana « Poule des As » ity.
Ankoatra izay, nanao valin’ady tamin’ny FC Theo Sava, ny FC A Ilakaka. Lavon’ny mpilalaon’Ilakaka, tamin’ny isa 4 no ho 2, ny klioba avy any Sava, omaly, teny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-pass. Ampahatsiahivina fa nandritra ny fifanandrinana voalohany, resin’ny FC Theo, 2 no ho 0, ny FC A.
Tsara ny mampahafantatra fa raha mahita fandresena iray indray ny FC Avenir Anosy mandritra ny andro fahadimy dia tafita avy hatrany any amin’ny diviziona voalohany, “Pureplay Football League (PFL)”. Marihina fa tafakatra any amin’ny PFL izay roa voalohany amin’ity “D2 Nationale” ity.
Fitia Randria