Tratran’ny polisy nanao fisafoana ny mpamaky trano roa lahy avy nanao ny asa ratsiny tao amin’ny faritra La Corniche, ny alin’ny 23 septambra teo, tamin’ny misasak’alina. Nilanja fahitalavitra nandritra ny andro maizina tamin’io fotoana io ny lehilahy iray. Nifanena tamin’ny polisin’ny UIR, nandositra avy hatrany izy. Nanaraka azy ny mpitandro filaminana ka voasambotra io lehilahy io. Nosavaina teny aminy ka nahitana finday niampy ny fitaovam-pandefasana ny fahitalavitra. Niaiky heloka ity lehilahy ity fa halatra ireto entana nentiny ireto. Nitoroka ny mpiara-miasa aminy iray izy. Niara-voasambotra izy roa lahy. Nentina natao famotorana. Nantsoina tamin’ny alalan’ireo finday roa halatra kosa ny tompon’ny entana.
Tsiferana R.