Fakana an-keriny: hiakatra fampanoavana ny depiote Zozo

Hiakatra fampanoavana, anio, ilay raharaha fakana an-keriny tao Tsaratanana nahavoasaringotra ny depiote teo aloha, Ratsimanosika Alex­andre (Zozo), sy ireo olona efatra nosamborina niaraka taminy. Isan’ireo voasambotra niaraka taminy ny mpiambina azy sy ny rahalahiny ary olona roa hafa. Dimy izy ireo, araka izany, no hiatrika ny fampanoavana. Ny alakamisy 19 septambra tolakandro izy no nosamborin’ny zandary tao an-tranony ao Brieville Tsa­ra­tanana. Voarohirohy tamina ra­haraha fakana an-keriny amin’ireo distrika mifanila amin’ i Tsaratanana ity depiote ity. Toy ny distrikan’Ankazobe, Anjozorobe, Amparafaravola ary Ambatondrazaka. Manolo­ana izany, niantso ny fanjakana ny zanany sy ireo fianakaviany mba hijery akaiky ny momba ity raharaha ity. «Tsy mitombina ny fanenjehana ny depiote Zozo satria anisan’ireo olona niara-niasa tamin’ny mpitandro filaminana izy nandritra ny naha solombavambahoaka azy», hoy ny fanazavan’ny zanany nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly.
Misy ambadika ny fanenjehana
Nambaran’ny zanany ha­tra­ny fa olon’ny fiarahamonina izy, saingy misy zavatra am­badika izao fanenjehana atao amin’ny rainy izao. «Tsy salama izy ary tokony hanaraka fitsaboana», hoy ny zanany. Nisy koa ny fijoroana vavolombelona sy fanangonan-tsonia nataon’ireo fokonolona avy ao Tsaratanana, omaly, mba hamotsorana ity depiote ity. Nanamafy ny fianakaviany fa siosion-dresaka fotsiny iha­ny no nisamborana azy. Sa­tria, tsy nisy rahateo ireo nijoro vavolombelona milaza fa lehiben’ny fikambanan-jiolahy ny depiote Zozo. Matoky ny fahendren’ny fitsarana, araka izany, ny zanany sy ny fianakaviany manoloana izao raharaha izao.

J.C

Partager sur: