Basikety-N1A : lalao 8 avy hatrany ny hanombohana ny fifaninanana

Hanomboka anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy Petit Palais Mahamasina ny dingana faran’ny Elites 8. Fifaninanam-pirenena N1A, sokajy lehilahy sy vehivavy, taranja basikety.

Fantatra taorian’ny fivoriana ara-teknika, natao omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, fa lalao valo avy hatrany no hanombohana ny fifaninanana ho amin’ny anio. Hifandona voalohany, ny ekipan’ny SBC sy ny ASCUT, eo amin’ny sokajy lehilahy. Ny GNBC sy Ankaratra kosa, no hihaona voalohany, eo amin’ ny sokajy vehivavy, ao amin’ny efitra lehibe ary ny Ascut sy ny Fandrasa kosa no hihaona, ao amin’ny efitra kely. Efa ekipa sangany avokoa ireto tafiditra anatin’ny Elites 8 ireto, ka tsy misy azo tsinotsiniavina.

Niatrika fanazarantena herinandro mialoha teny amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina avokoa rahateo ireo ekipa 16 ka azo lazaina ho mitovy ny lentan’ny ekipa tsirairay. Hahita lalao avo lenta, araka izany, ny mpijery basikety, manomboka anio 26 septambra hatramin’ ny lalao famaranana, ny 6 oktobra izao, mandritra ity fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A lahy sy vavy ity. Araka ny fandaharam-potoana, fifaninanana isam-bondrona no hatao mandritra ny 7 andro, ka hiditra amin’ny dingana famaranana izany amin’ny faran’ny herinandro ho avy io.
Tsiahivina, hiatrika lalao 7 avy ny isaky ny ekipa hamaritana izay ho tafiditra anatin’ny ekipa 4 voalohany hanao ny dingana farany.

Mi.Raz

Fandaharan-dalao anio

Efitra lehibe
9 ora maraina: GNBC Analamanga vs Ankaratra Vakinankaratra (V)
11 ora maraina: SBC Vakinankaratra vs Ascut Atsinanana (L)
1ora atoandro: GNBC Analamanga vs Cosfa Analamanga (L)
3 ora hariva: JEA Vakinankaratra vs Fandrefiala Analamanga (V)
5ora hariva: MBC Atsinanana vs BCB Boeny (L)
Efitra kely
9 ora maraina : Ascut Atsinanana vs Fandrasa Matsiatra Ambony (V)
11ora atoandro : MB2ALL Analamanga vs USJFM Atsimo Andrefana (V)
1 ora atoandro: NGB Itasy vs COSPN Analamanga (L).

Partager sur: