Rotiky ny balan’ny mpitandro filaminana nandritra ny fifandonana tao Vohilena, Anjozorobe, afakomaly, ny iray amin’ireo dahalo mpaka an-keriny. Teo am-pikasana haka vola tamin’ny fianakavian’ireo olona nalaina an-keriny ireo malaso no nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana…
Maty voatifitry ny mpitandro filaminana tao Ambohibary Vohilena, distrikan’Anjozorobe, afakomaly, ny iray amin’ireo dahalo mpaka an-keriny, tompon’ antoka tamin’ny fakana an-keriny amin’iny faritra iny. Avotra ihany koa ireo olona roa nalain’ireo dahalo an-keriny. Lasan’ireo dahalo mpaka an-keriny ny 8 septambra 2024 tao Ambohibary Vohilena ny olona roa. Fantatry ny mpitandro filaminana tamin’ny alalan’ny angom-baovao fa niomana hifampiraharaha amin’ ireo fianakaviana ireto mpaka an-keriny ireto. Nametraka ny paikady rehetra hahafahana mifanehatra amin’ireo dahalo ny zandary. Niainga tao Bemandrona ny mpanara-dia satria voalaza fa amin’ny 8 ora sy 30 mn alina no fotoana voatondro hanaovana ny fifanarahana sy ny fifanakalozana.
Tafatsoaka ireo dahalo voatifitra…
Nandalo ny toerana nisy ireo mpitandro filaminana ireo dahalo ka nitifitra avy hatrany. Raikitra ny fifampitifirana ka nitsoaka ireo mpaka an-keriny. Votsotra teo am-pelatanan’izy ireo ny takalonaina ka avotra soa aman-tsara. Nomarihin’ny zandary fa tsy nisy vola naloa tamin’ity fakana an-keriny ity. Niroso tamin’ny fisavana ny toerana manodidina ny mpitandro filaminana ka tao anatin’izany no nahitana fatina dahalo iray. Feno ra koa ny toerana nandosiran’ireo namany. Nanamafy hatrany ny mpitandro filaminana mpampandry tany any an-toerana fa mitohy ny hetsika amin’ny fikarohana ireo dahalo. Mbola ao anatin’ny horohoro hatrany ny mponina amin’iny distrikan’Anjozorobe iny na eo aza ny fahatrarana sy ny fahafatesan’ireo dahalo mpaka an-keriny.
J.C