“World Poetry Slam Championship”: ao anaty fanomanana ny solontena malagasy

Tanora malagasy, mpian­galy « Slam poèsie », anisan’ny manana ny maha izy azy An­drianahy Zanadaory Joel Bas­tino, fantatry ny maro eo amin’ny tontolon’ny « Slam pèsie » hoe Konahy Junior. Laharana fahatelo izy nandritra ny fifaninanana nasionaly farany teo, taorian’i Santa sy Orad. Hisolo tena an’i Mada­gasikara man­dritra ny “World Poetry Slam Champion­ship” (WPSC), atao any Togo, ny volana novambra 2024 kosa ny tenany. Nisy ny fifaninana nifantenana izay hiatrika izany ka tafi­ditra tao ana­tin’ireo folo afaka mia­trika ny WPSC i Konahy Junior.
Mpiangaly “Slam poèsie”, avy any Antsira­nana i Ko­nahy Junior. Ao anatin’ ny fikamanana Slam’ suaré no misy azy. Mbola ao anatin’ny fanomanana ny fiatrehana ny WPSC izy amin’izao. “Vao sambany no mandray an­jara amin’ny fifaninanana aho. Feno hafaliana kanefa mitain­taina ihany amin’ny fanomanana satria tsy maintsy vonona tanteraka. Mikirakira lahatsoratra telo eo aho farafahakeliny mialoha ny fifaninana amin’ny volana no­vambra. So­mary manava­nana ahy kokoa ny teny frantsay fa mety amiko avokoa izay teny ampiasaina mandritra ny fifaninanana”, hoy i Konahy Junior.

Lin

Partager sur: