Manan-talenta marolafy: Jonny R’Afa, ilay mpanakanto « hafa » noho ny namany

Poeta, mpamoron-kira, mpihira ary mpitendry izy. Mpanao sary manana ny mampiavaka azy koa anefa. Tsy vitan’izay fa ny sary sokitra sy ny sarivongana koa no tena nametrahan’i Jonny R’Afa ny dian-tanany, teto Madagasikara sy tany ivelany. Ny mombamomba azy…

Andriamanankoavy Jonny no tena anarany. Jonny R’Afa kosa no anarana nosafidiany hoentina eo amin’ ny tontolon’ny zavakanto. Izay no anarany amin’ny mozika, sy soniany ihany koa amin’ireo sary sanganasany. R’afa, avy amin’ny hoe “Ra-hafa”, izay anarana napetak’ireo namany mpanakanto ihany. Noho izy itangoronan’ny talenta maro­lafy izay no nisongadinany tamin’ireo indray nihira taminy ihany koa, na tsy nitovy aza ny lalana nodiavina.
Tany amin’ny taona 1980 no nanomboka ny tantara… Nisy ilay fampisehoana hoe “Ny hiranao Levaly”, izay nandraisana mpanakanto sy tarika maro anjara. Anisan’ireo nia­ka-tsehatra nandritra izany i Jonny. Ireo hira nataony tamin’io fampisehoana io no mbola mitoetra sy ahafantaran’ny mpankafy azy hatramin’izao: “Rabodo­ni­arivo”, “Retsiana” ary “Ravo­rom­bazaha”. Herinandro taorian’ny seho anefa dia nanohy ny fianarany tany am-pita i Jonny, ka nisy mpanakanto hafa nanao ireo hirany, satria nitohy ilay fampisehoana. Efa amam-polo taonany taty aoriana vao fantatry ny maro ny tena tompony…
Fa nanohy ny lalany teo amin’ny zavakanto kosa i Jonny. Nandalina ny marimarina kokoa, satria niditra tao amin’ny sekoly ambony momba ny sary “Ecole Nationale Supérieure des Beaux-Arts” ao Paris izy. Ny taona 1987, raha nandalo teto Madagasikara, dia nanao ny sarivongan-dRabearivelo, nandritra ny fankalazana ny faha-50 taona nahafatesany. Nanomboka teo no tena nahalalana azy teto Madagasikara amin’ny maha mpanao sary sy sokitra. Efa nampiranty tao amin’ny Hilton, CGM, Alliance Française, sns. Nipetraka tany ivelany noho ny asany, ka nandray anjara tamina hetsika maro ho an’ny zavakanto ihany koa, tany Frantsa, Pays-Bas, Bélgique, sns.
Efa an-taonany maro izay no miketrika sy manam-pikasana ny hanao ny sarivongan’ireo olo-malaza malagasy, eto Mada­gasikara, i Jonny R’Afa. Manao antso avo amin’ireo izay afaka hifanome tanana amin’ny fanatanterahana izany izy, amin’ny fodiany an-tanindrazana manaraka eo. Hiara-dalana amin’izany ny tetikasa mahakasika ny mozika sy ny fampirantiana sary nataon-tanana. Eo ihany koa ny fizarana fahalalana ho an’ireo tanora liana te handalina bebe kokoa ny zavakanto, ka mety mila ny traikefany. Lafiny literatiora, tsy mitsaha-manoratra i Jonny R’Afa, ka santionany amin’izany ny sanganasany.

Nangonin’i Zo ny Aina

Partager sur: