“Guitar Beatz Experience”: haneho ny talentany i Milon

Tanterahina anio alina, eny amin’ny 44 Bistrot Tsarala­lana, ny “Guitar Beatz Expe­rience”, iarahana amin’i Milon, avy ao amin’ny tarika Kazar. Mandritra ity hetsika ity no hanehoan’i Milon ny talenta sy fahaiza-manaony eo amin’ny fitendrena gitara. Ho re mandritra ny “Guitar Beatz Expe­rience” ireo karazana fitendry sy gadona maro samihafa. Tanjona ny hanehoana ny maha izy izany fitendrena gi­tara izany sy hitaomana ireo mpisehatra amin’izany ho amin’ny tsara kokoa hatrany sy ny matihanina.
Fanararaotra lehibe ho an’ireo mpankafy ny fiten­drena gitara isan-karazany ny anio hariva, eny amin’ny 44 Bistrot Tsaralalana. Ho lalaovin’ i Milon mandritra ny “Guitar Beatz Experience” ny fomba fitendry sy gadona maro sahala amin’ny “Unplugged”, “Clas­sical Guitar”, “Latin Guitar”, “Guitar Hero Metal’. Manara­raotra ny fandalovan’i Milon eto Madagasikara, ny Oz Rekordz, izay mpikarakara ny hetsika. I Milon izay sokajin’ ireo mpitendry gitara ho ao anatin’ireo sangany eto Mada­gasikara. Ankoatra ny fahai­zana mitendry, anisan’ny mam­piavaka ity mpanakanto ity ihany koa ny maha matihanina azy. Mpanakanto maro avy eto Madagasikara sy avy any ivelany no efa niara-niasa tamin’i Milon, tao anatin’izany fitendrena gitara izany. Ankoatra ny anio, hitohy rahampitso eny amin’ny Kianja Analamaitso Analamahitsy ny revy, saingy hibahan-toerana ny gadona Metaly, miaraka amin’ny tarika Kazar, Apost, Egraygore ary Seth on fire.

Lin

Partager sur: