TARATRY ny KANTO

Revy Lôlô sy ny tariny, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina indray ny fotoana, iarahana amin’i Benny sy Bebey ary i Nini. Efa mahazatra ny mpankafy ny toe­rana sy ny revy, saingy tonga hatrany ireo manimanina ny hiran’ny taona 80 sy 90. Tato ho ato, misy ireo hira tsy fanaon’izy ireo mihitsy no naverin-dry zalahy.

Antsabey any amin’ny B’art Haingo Antsi­rabe. Tarika efa azo antoka fa hanana ny hoaviny izy ity. Taorian’ny fandraisany anjara tamin’ny Angaredona Mozika Festival, mandalo ao Antsirabe ary hizara ny kantony anio, manomboka amin’ny 8 ora alina ry Antsa­bey. Hitondra ny mozika avy any atsimo, nolaroina mozikan’izao tontolo izao, araka ny nahafantarana azy ireo. Ho vahiny manokana mandritra izany i Monika N’Java.

Hisy tsiaro sy fanomezam-boaninahitra an’i Mikakely. Hotontosaina ny 6 oktobra ho avy izao izy ity, eny Manandriana Avaradrano, izay tanàna nonenany sy ilevenany. Hisy lamesa, fanateram-boninakazo ary fiarahana manao mozika izany. Iarahan’ny fianakavian’i Mikakely sy ireo namany mpanao mozika misalahy ny fikarakarana ny hetsika.

Hisokatra anio ny “Photomania”. Roa andro ho an’ny saripika ny etsy amin’ny urban Futsal, anio sy rahampitso. Fampirantiana, atrikasa, fampiofanana, fizarana traikefa, sns, no hatao mandritra izany. Hizara ho lohahevitra maromaro ny fotoana, ka hisantatra izany ireo vehivavy mpaka sary, manomboka amin’ny 11 ora. Hanaraka izany ny fomba fakan-tsary amina mariazy amin’ny 2 ora.

Partager sur: