Fialonana sy hasarotam-piaro : raim-pianakaviana nahafaty ny vadiny

Novonoin’ny raim-pianakaviana ho faty ny vadiny, afakomaly. Nitroatra ny fokonolona ka nanao fitsaram-bahoaka. Voalaza fa hasarotam-piaro no nanindromany antsy an-dramatoa.

Nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany ny zandary momba ny fisiana fatim-behivavy hita ao amina tokantrano iray ao amin’ny fokontany iadidiany. Tonga teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera ka voamarina tokoa ny fisian’izany. Renim-pianakaviana mihosin-dra mihohoka amin’ny tany no hita tao an-trano. Nahitana tsatok’antsy teo amin’ny sorony hatrany amin’ny vavany. Tapaka ny rantsan-tanany sy ny lanton-tsandriny. Ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny zandary no nahafantarana fa nanana olana ara-panambadiana izy. Satria, miady foana ity renim-pianakaviana ity sy ny vadiny. Niafara tamin’ny fisarahana nandritra ny herinandro izany. Voalaza fa ny vadiny no tompon’antoka tamin’ity raharaha vonoan’olona ity, noho ny fialonana sy hasarotam-piaro. Nitolo-batana teny amin’ny tobim-paritry ny zandary ao Maroantsetra, afakomaly, ihany izy taorian’izao fihetsika mamoafady nataony izao. Naiditra violon ao amin’ny zandary izy. Fantatry ny fokonolona tao an-tanàna fa voatazona ao amin’ny zandary ity lehilahy ity ka nangatahin’izy ireo havoaka mba hanaovana fitsaram-bahoaka. Tsy nanaiky izany anefany mpitandro filaminana ka voatery niditra tamin’ny fanamafisana ny fiarovana ny toby misy azy ireo. Taorian’ny fizahana, nomena ny fianakaviany ny razana.

J.C

Partager sur: