Lasan’ny valo lahy nitam-piadiana ny vola mitetina 30 tapitrisa Ar teny amin’ny lalam-pirenena faha-35, 15 km ivelan’ny tanànan’Ambatofinadrahana, ny talata 24 septambra teo. Nitondra basy miisa efatra ireo olon-dratsy. Nosakanan’izy ireo ny fiara. Novakian’ireo jiolahy ireo ny fitaratra. Voambana vavabasy, tsy nisy nahetsika ireo roa lahy tao anatin’ny kamiao. Voatery nanaiky ny baikon’ireo valo lahy mpandroba. Nalain’izy ireo avokoa ny finday miisa roa teny amin’ireo lasibatra. Norobainy koa ny entana sasantsasany tao anatin’ny fiara. Tsy vitan’io, lasan’izy valo lahy ny vola. Nodarohan’ireo tsy mataho-tody tamin’ny vodibasy ny mpamily. Nandositra izy valo lahy. Mirongatra ny fanafihana ataon’ny jiolahy eny anivon’ny lalam-pirenena tato ho ato.
Tsiferana R.